Soundtracks: A B C D E F G H I J K L M N O P Q R S T U V W X Y Z #

List of artists: A B C D E F G H I J K L M N O P Q R S T U V W X Y Z #


Music Video


Raitra ( Big Island Radio Mix ) Lyrics - Tarika


Soundtrack: Nanny Diaries

Raitra ( Big Island Radio Mix ) Lyrics

Raitra ( Big Island Radio Mix ) Song Lyrics


Midobodoboka tsy mijanona ny foko
Mierika ny masoko , mitady tsy mahita
Ny eritreritro tsy mety fa manjohy anao hatrany
Manontany , mitomany
Mitamberina ao an-tsaiko ireo vetsom - po tanaty
Nobitsihinao mangina am - poto- tsofiko eo mazàna
Rehafa injay isika resin - torimaso iny
Fa any ianao izay ry tiako...

Eto aho mitanisa ireo zavatra efa vita , dia malahelo o o o
Tsy hisy hanazava hoe avy aiza ny hery miafina
Nanosika antsika ho tody teo
Tody teo aloha isika , teo amin'ny toerana avo indrindra e
Tsy hain'iza hohazavaina , tsy vitan'iza horavana.

Tsy tiako hovaina intsony ny lasa ,
Zarako aza ianao nifanojo làlana amiko
Saingy tsy ho zakako intsony ny hanarona
Ny marina amin'ny toe - draharaha misy
Marina fa be ny olana raha ho visaina
Ireo tsy tia sy fahavalo koa hanenjika avy hatrany
Kanefa izany fa no hamoizako anao ?
Vao miha - mitombo ny fitiavako miha - romotra.

Enga anie ianao hiandry ahy
Fa izaho , dia hiandry anao foana e
Ny làlana nodiaviko mety tsy ho hitanao
Tsy misy toa anao izay tojo ahy
Ianao irery ihany no toa anao... ianao no ahy e
Tsy mila olon - kafa aho , tsy hitady an ' iza n ' iza
Fa ianao irery ihany.

Tsy haiko intsony ny manafina efa fantatrao izany
K ' aza omena tsiny aho e
Ny fiantsapazako avy hatrany , ny ranomasoko nijohy
Teo am - pandehananao
Hitohy tsy an - kijanona hikoriana hatrany hatrany
Ao anatiko ao e
Rahoviana ianao ry tiako vao ho tonga eto indray?
Hampiononona ahy , rahoviana?